Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina
Mazava ny lalana ho an’i Madagasikara


Vahaolana mahomby amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ho an’ny taranaka, ny fampihenana ny entona karbonina sy ny fampiasana ny angovo madio sy azo havaozina.

Tarigetra amin’ny Fandaharanasa « Africa Energy Transition Program » (
#AFRETRAP), tarihin’ny Vondrona Afrikanina (
#UnionAfricaine) sy ny Vaomiera Afrikanina momba ny Angovo (
#AFREC), ny fampiroboroboana ny fitrandrahana lalina ny angovo madio sy azo havaozina ary maharitra.

Notanterahina ny 18 Marsa 2025 teto amin’ny Hôtel Ibis Ankorondrano, ny atrikasa mikendry ny hamantarana ireo fepetra sahaza hampihenana ny famoahana entona karbonina izay manimba tanteraka ny tontolo iainana eto Madagasikara. Anisan’ny miteraka izany voalohany ohatra, ny fiankinan-doha amin’ny famokarana angovo mandeha amin’ny solika.

Nivoitra tamin’ izany ny fampahafantarana sy fifampidinihana momba ny tetikasa ho fanomanana ny Tondrozotra nasionaly fampihenana ny fampiasana angovo mamoaka entona manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana.

Anisan’ny nasongadina sy novelabelarina nandritra ny atrikasa ny topimaso momba ny fanatanterahana sy ny vokatra ho azo mikasika ny :

famoronana sy fizaràna herinaratra,

ny fanatsarana ny fomba fahandroan-tsakafo avy amin’ny angovo madio isan-tokantrano,

ny indostria,

ny mikasika ny solika sy entona voajanahary ary

ny lafiny fitaterana sy fambolena.

Ny tanjona voalohany amin’izany dia ny hanafoanana tanteraka ny fampiasana angovo azo avy amin’ny solika fandrehitra sy mamoaka entona karbonina, ary hanolo izany amin’ny angovo madio sy maoderina.

Amin’ny alalan’ny AFRETRAP, dia hanangana rafitra mazava sy maharitra i Madagasikara mba hampihenana ny fampiasana angovo mamoaka entona manimba ny tontolo iainana sy ny fahasalamana na « Gaz à effet de serre » (
#GES), ka hiantohana ny fampandrosoana ara-toekarena maharitra.

Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), ny Sekretera Jeneraly, Atoa ANDRIANTSOA Thierry, notronin’ireo Tale Iraisam-paritra isan-tsokajiny ary ireo mpanolotsaina avy amin’ny
#STANTEC.