Angovo ho an’ny daholobe
🌞 Fampidirana herinaratra amin’ireo CSB
✅️ Haravoana ny an’ny mponina eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Taindambo, Distrika Lalangina , Fianarantsoa. Nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ankehitriny ny tobim-pitsaboana, na « centre de santé de base » (#CSBII) eto an-toerana.
✳️ Mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny herinaratra, famatsiana manana tanjaka 4100 Wc , manana « convertisseur », sy vatoaratra (batteries) 20 kWh. Santionany amin’ireo CSB miisa 29 nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny Faritra Matsiatra Ambony. Mitotaly 115 ireo CSB nampidirana herinaratra eto Fianarantsoa, ary 500 izany manerana ny Nosy. Ny Vondrona IXEO-JIMMY no nanatontosa ny asa teto Taindambo ka 266 amin’ireo #500CSB ireo dia niandraiketany.
⏹️ Asa vita ao anaty fanatanterahana ny Tetikasa #LEAD. Manohana ny Banky Iraisam-pirenena (#BanqueMondiale).
▶️ Tontosa androany 02 Jolay 2025 ny fitokanana ny fahazoan’ny CSB II eto Taindambo, herinaratra, teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Filoha Lefitry ny Antenimierampirenena voafidy eto Fianarantsoa, sy ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Lalangina, ny lehiben’ny Distrika Lalangina, ary ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
➡️ Ankoatra izay dia efa anaty vina ny hampisitrahana herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny CSB miisa 500 hafa manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny Tetikasa #DECIM.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *