Angovo sy Akoranafo
Fampanaraham-penitra amin’ireo fitaovana
▶️ Nanatanteraka iraka teto Madagasikara nandritra ny roa andro ny Talem-paritry ny « International Electrotechnical Commission » (#IEC) eto Afrika, Atoa François AHOTI .
✳️ Ho famaranana ny fitsidihany, dia nisy ny atrikasa niarahana tamin’ireo mpisehatra mampiasa fitaovana « électrotechniques »: anisan’izany ny angovo, ny akoranafo, ny fifandraisan-davitra, ny indostria sy ny varotra, ny sehatra fikarohana sy ny Oniversite, ary ireo mpandraharaha. Atrikasa notanterahina androany 18 Marsa 2025 , teto amin’ny « Amphithéâtre » Ampandrianomby.
✅️ Niompana tamin’ny fampahafantarana ny mikasika ny fenitra IEC, ary ny vondrona #NEC (Comité Electrotechnique National), izay solontenan’ny IEC eto Madagasikara .
✴️ Tarigetra ny fanentanana ireo mpisehatra hiditra ao amin’ny NEC, hahafahana mandray fenitra miisa 400 maimaimpoana, ary mampahafantatra sy mampihatra izany eto Madagasikara, ho fiarovana ny mpanjifa sy ny mpampiasa fitaovana « électrotechnique » eto Madagasikara .
⏹️ Tombony ho an’ny fampiharana ireo fenitra IEC ny hahazoana fitaovana tsara kalitao, maharitra sy tomombana ara-teknika, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, fa indrindra manampy ny asa famoronana.
🟩 Marihina fa miisa 170 ny Firenena mikambana ao amin’ny IEC, ary ahitana fenitra miisa 14.526 izay mizara ho an’ny sehatra maro, anisany ny Angovo sy Akoranafo .
➡️ Nitarika ny atrikasa ny Talem-paritry ny IEC eto Afrika, Atoa François AHOTI sy ny Tale misahana ny Fampiroboroboana Tetikasa amin’ny Angovo eto anivon’ny #MEH, Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaraniaina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *