Famolavolana ny fenitra amin’ny fatana mitsitsy
▶️ Fanenana ny fandaniana sy fiarovana ny ala
➡️ 14 Marsa 2025, andro faha-4 sady farany eto amin’ny « Coco Lodge » Mahajanga,
Atrikasa fanavaozana sy famolavolana ary fandaniana ny fenitra vaovao amin’ny fatana mitsitsy, mampiasa kitay, na arina fandrehitra (saribao)
✅ Lany ireo lasitra fenitra (normes expérimentales) miisa 2 momba ny « Foyer amélioré à bois de feu et autres biocombustibles solides non carbonisées » sy ny « Foyer amélioré à charbon de bois et biocharbon »
🟩 Anisany nasiam-panavaozana ny fenitra momba ny bikan’ny fatana, ireo karazany, ny habeny, ny lanjany, ny refiny sy ny akora hanaovana azy, ny famantarana manokana an’izay namokatra azy sy ireo pitsopitsony hahalalana momba ny fatana
❇️ Nandray anjara, ireo mpikaroka sy ireo mpamokatra ary solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, miaraka amin’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahaizana manokana isan-tsokajiny. Tarigetra ny hanatsarana ny kalitao sy hanomezana fanamarinana (certification) ny vokatra iraisana sy eken’ny daholobe, ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka
✴️ Tanjona goavana ny hahazoana vokatra tsara mba tena hitsitsy tokoa ka hampihena ny fandaniana ara-angovo any amin’ny tokantrano tsirairay avy, sy fiarovana ny tontolo iainana amin’ny fandripahana ala ka miteraka ny fiovaovan’ny toetry ny andro
👉🏽 Dingana manaraka ny « Phase expérimentale » izay haharitra 60 andro, hakana hevitra farany, mialoha ny fandaniana, sy ny famoahana ofisialy ary ny fampiharana
🤝🏼 Manohana ny ezaka ny Tetikasa « Financement Intégré pour les Energies Durables » (#FIER), miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny #PNUD, #UNCDF, #ONUDI, #WWF, #BNM, #CNRIT. Miara-misalahy ny #MEH, #MEDD, #MIC

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *