Famatsiana herinaratra eto Mahajanga
Nidina ifotony Atoa MEH
Nanatanteraka fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra sy teknisianina eo anivon’ny JIRAMA teto Mahajanga ny Minisitry ny Angovo sy Akoranafo (MEH) Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier androany 17 Aogositra 2024. Fifanakalozana sy dinika mahakasika ny famatsiana herinaratra eto an-toerana no niompanan’ny fivoriana. Nanatrika izany ny Tale Kabinetran’ny MEH, Atoa RANDRIANAINA Odon Marius, sy ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoranafo (DIEH) Mahajanga, Rtoa VAVIZARA Sylvie, ary ireo teknisianina avy amin’ny orinasa tsy miankina mpiara-miasa ENELEC sy HENRI FRAISE FILS & Cie.
Izao no marika fa ny Fitondram-panjakana dia tsy mitsahatra mitady vahaolana amin’ny fahatomombanan’ny famatsiana sy fitaterana herinaratra, ary ny fahatongavan’ny solika ampiodinana ireo milina . Rehefa vita ny dinika dia nidina ifotony nitsidika ny toerana misy ireo milina mampiodina ny tobim-pamokarana herinaratra ny Delegasiona , nijery akaiky ny toe-draharaha.
Efa miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny famatsiana herinaratra eto Mahajanga, taorian’ny fahasimban’ny milina mpamokatra herinaratra eto an-toerana. Nanome toromarika Atoa MEH ny amin’ny famitana haingana ny fanamboarana ireo milina sisa tavela mbola manana olana teknika.
Mahatratra 14 MW ny filàna herinaratra eto Mahajanga. Anisan’ny hahazo 5 MW amin’ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ny eto an-toerana. Nanentana ny vahoaka ihany koa Atoa MEH ny amin’ny ady atao amin’ireo mpangalatra ny jiro fanazavana ny lalambe sy elakelan-trano.