Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Fivoriana niaraka tamin’ireo PTF
Fanamby lehibe no apetraky ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (MEH) miaraka amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana lovainjafy (MEDD) ho fampiroboroboana ny fahandroana sakafo avy amin’ny angovo madio (Cuisson Propre) eto Madagasikara .
Rehefa avy nanatanteraka ny atrikasa nifandimby niarahana tamin’ireo mpisehatra nandritra ny hateloana, dia nisy ny atrikasa famoriana ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola na « réunion de coordination des partenaires techniques et financiers » (PTF), androany 11 Jolay 2024 teto amin’ny Amphithéâtre Ampandrianomby. Nanatrika izany ny solontena avy amin’ny WWF, PNUD, BAD, SEforALL, FIER, ONUDI. Tarigetra ny fametrahana ny tondrozotra mikasika ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio.
Tanjona ny fampisitrahana angovo madio sy maoderina ary amin’ny vidiny takatry ny besinimaro ho fanatratrarana ny ODD7, sy ho fitandrovana ny tontolo iainana .
Nanambara ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Atoa JEAN – BAPTISTE Olivier fa 95% amin’ny tokantrano Malagasy no mbola mampiasa ny arina fandrehitra mahazatra ( charbon de bois) na ny kitay, raha 60% izany manerana an’i Afrika. Vina lehibe ny hampiakatra ny tahan’ny fampiasana fahandroana sakafo amin’ny angovo madio (Cuisson Propre), satria efa maro ireo teknolojia sy angovo afaka ampiasaina (bioethanol, gaz butane, herinaratra, biogaz, foyers améliorés, sns) ka zava-dehibe noho izany ny tantsoroka avy amin’ireo PTF ho fanatrarana ny tanjona iombonana.