Drafi-pahombiazana amin’ny angovo
Manohana akaiky ny BAD
🤝🏼 Mafy orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (#BAD).
✳️ Manantanteraka atrikasa momba ny « Efficacité énergétique » ny roa tonta nanomboka tamin’ny faha 19 marsa 2025 teo, porofo amin’ny fanohanana akaiky ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana Malagasy.
✅ Nisy araka izany ny dinika izay nifanaovan’ny manampahaizana manokana amin’ny Angovo azo havaozina, Atoa Jalel CHABCHOUB , ary ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny tetikasa amin’ny angovo (DEE), Rtoa RAZAFIMAHATRATRA Dina Anjaraniaina .
✴️ Tanjona ny hamolavolana fandaharan’asa ho an’ny fanjariana eo amin’ny sehatry ny angovo, ho fanohizana ny ezaka araka ny Drafi-pahombiazana amin’ny Angovo eto Madagasikara (Plan Directeur de l’Efficacité Énergétique de Madagascar) 2019-2040, ary koa ny hijerena ireo fanamby sy filàna hampiroboroboana ny fampiasana angovo madio sy maharitra .
▶️ Aorian’izao dia mbola hisy ny fihaonana hiarahana amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministera, ireo mpiantsehatra sy mpiara-miombon’antoka ary ireo mpamatsy vola.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *