馃煩 Angovo ho an’ny daholobe

馃尀 Fampidirana herinaratra amin’ireo CSB

 

鉁咃笍 Haravoana ny an’ny mponina eto amin’ny Fokontany Mon Passot, Prefektioran’i Nosy Be. Nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro ankehitriny ny tobim-pitsaboana, na 芦聽centre de sant茅 de base聽禄 (#CSB) eto an-toerana, izay niorina ny taona 2017.

 

鉁筹笍 Mandeha 24 ora amin’ny 24 ora ny herinaratra, famatsiana manana tanjaka 2,1 KW , manana 芦聽convertisseur聽禄, sy vatoaratra (batteries) 16 kWh. Santionany amin’ireo CSB miisa 4 nahazo herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro eto Nosy Be. Mitotaly 18 izy ireo eto amin’ny Faritra Diana, ary 500 manerana ny Nosy. Ny Vondrona IXEO-JIMMY no nanatontosa ny asa teto Mont Passot, ka 266 amin’ireo #500CSB ireo dia niandraiketany. Asa vita ao anaty fanatanterahana ny Tetikasa #LEAD, tarihin’ny mpandrindra Barnia Flowernysd Raherinantenaina . Manohana ny Banky Iraisam-pirenena (#BanqueMondiale).

 

鉁达笍 Tontosa ny 23 Mey 2025 ny fitokanana ny fahazoan’ny CSB eto Mont Passot, herinaratra, teo ambany fitarihan’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy teto Nosy Be, ny Governoran鈥檔y Faritra Diana, ny lefitry ny Lehiben’ny Prefektiora, ary ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

 

鉃★笍 Ankoatra izay dia efa anaty vina ny hampisitrahana herinaratra avy amin’ny masoandro ho an’ny CSB miisa 500 hafa manerana ny Nosy, amin’ny alalan’ny Tetikasa #DECIM.

 

#angovohoannydaholobe

Andry Rajoelina

#energiesrenouvelables

#MEH

#ODD7

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publi茅e. Les champs obligatoires sont indiqu茅s avec *