✳️ Famolavolana ny Fenitra ho an’ny Bioéthanol Ranoka (Bioéthanol Combustible liquide)
➡️ Notanterahana nandritra ny telo andro, ny 11–13 Aogositra 2025, tao amin’ny Hôtel des Thermes Antsirabe, ny atrikasa fanavaozana, famolavolana ary fandaniana ny fenitra vaovao ho an’ny bioéthanol ranoka, ampiasaina amin’ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio.
✴️Nisongadina nandritra izany ny fanavaozana ny fanamafisana ny fenitra ara-teknika mamaritra ny kalitao sy ny fanadiovana ny Bioéthanol ranoka vokarina. Manaraka izany ny fepetra manokana hiantohana ny fiarovana ny mpampiasa sy ny fahombiazana amin’ny fampiasana izany ary farany ny fitsipika momba ny fanamarinana sy ny famantarana ny vokatra ara-dalàna eny an-tsena.
⏹️ Hita nandritra ity Atrikasa ity tokoa fa maro tamin’ireo mpandray anjara (manam-pahaizana manokana amin’ny angovo avy amin’ny akora biolojika, mpamokatra sy mpaninjara ny Ethanol, solontenan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ary ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministera samihafa voakasika amin’ny sehatry ny Ethanol) no manaiky ny maha zava-dehibe ny fanatrararana ny fenitra amin’ny famokarana ny Bioéthanol ranoka.
🟩Tanjona goavana ihany koa ny hampitomboana ny vokatra mba tena hampihena ny fandripahana ny ala amin’ny alalan’ny fanoloana ny kitay sy ny arina fandrehitra sy ho fiarovana ny tontolo iainana.
➡️ Dingana manaraka ny «Phase d’expérimentation» izay haharitra 60 andro, hakana hevitra farany, mialoha ny fandaniana, sy ny famoahana ofisialy ary ny fampiharana.
👉 Mpiara-mombon’antoka: ny Tetikasa Financement Integré pour les Energies Renouvelables (#FIER) miaraka amin’ny #ONUDI, #BNM, #CNRIT, #CNRE, ary ny Ministera Mpiahy (# MEH, #MEDD, #MIC).