Atrikasa iraisam-pirenena momba ny famatsiam-bola hahazoana angovo na ny Forum d’Investissement pour l’Accès à l’Énergie (EAIF 2025).


Nandray anjara tamin’ny Atrikasa iraisam-pirenena momba ny famatsiam-bola hahazoana angovo (EAIF 2025) ny solontenan’ny ADER, Atoa Heritiana RAZAFINDRAKOTO – Tale misahana ny Drafitra sy Fanaraha-maso ary Fanombanana. Hetsika anisan’ny lehibe indrindra fanao isan-taona ho an’ny sehatry ny angovo azo havaozina

izy ity, izay natao ny 8 ka hatramin’ny 10 aprily 2025 tany Kampala, Ouganda.

INONA NO MAHA ZAVA-DEHIBE NY HETSIKA TOY IZAO ?


« Manome fahefana ny sehatra ho an’ny fanjakana hanangana tsena maharitra ho an’ny tambajotra madinika maitso MRV (Mini-Réseaux Verts)

.”

“Mamorona, mampanara-penitra, ary miara-miasa hananganana tsena ho an’ny MRV ho amin’ny fampiasam-bola »

Ireo no lohahevi-dehibe nandritra ny Atrikasa iray manontolo.

Teo ihany koa ny fanehoana ireo fandaharan’asa AMAP amin’ny fanomezana fanampiana ara-teknika hanamafisana ny tsena ho an’ny tambajotra kely (mini-réseaux) eto Afrika, amin’ny alalan’ny fomba manara-penitra sy mahomby.

Firenena 10 eto Afrika no misitraka izany fanampiana ara-teknika izany

, ary notsipihina manokana ireo hetsika tanteraka tany amin’ny firenena voafantina toy ny : Mali, Cameroun ary Guinée.

Nisy ihany koa ny latabatra boribory niarahana tamin’ny solontenan’ny fanjakana avy amin’ireo firenena telo (Guinée, Mali ary Madagasikara

), niaraka tamin’ny solontenan’ny « Programme des mini-réseaux africains (PMA) »

avy amin’ny PNUD, izay notarihin’ny SEFA, handinihana manokana ireo sakana sy zava-tsarotra sedraina, ary koa ny lanjan’ny vahaolana avy amin’ny firenena tsirairay sy ny fandraisana anjaran’ny eo an-toerana.

Tsara ho fantatra fa taorian’ny fanaovan-tsonia ny « Pacte Energétique »


vaovao tamin’ny janoary 2025 tany Tanzanie, tamin’ny alalan’ny M300, dia manana vina ny firenena malagasy fa 80% amin’ny mponina Malagasy no hisitraka angovo amin’ny vidiny takatry ny rehetra amin’ny taona 2030.