Angovo : Fihaonana teny Tsimbazaza
✳️ Notanterahina ny Talata 10 Jona 2025 teto amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza, ny fivoriana teo amin’ireo Solombavambahoaka mpikambana amin’ny Vaomiera misahana ny angovo, sy ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo (#MEH) ary ny rantsamangaikany, ny #ADER sy ny #JIRAMA.
✅️ Fihaonana tanaty fanajana ny mangarahara izay naharitra adim-pamantaranandro dimy, sy nanome malalaka ireo Solombavambahoaka, amin’ny fametrahana fanontaniana mikasika ny toe-draharaha eo amin’ny sehatry ny angovo ankehitriny .
➡️ Lahadinika maro no noresahana nandritra ny fifanakalozan-kevitra, anisan’izany :
– Ny drafitra fanavaozana sy fanarenana ny JIRAMA ary ny sata vaovao mifehy ny orinasa
– Ny fanatanterahana ireo tetikasa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (hybridation solaire) eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra
– Ny famahana ny olan’ny fahatapahan-jiro miverimberina lava sy ny olan’ny famatsian-drano
– Ny dingana manaraka amin’ny Tetikasa 105 MW
– Ny lafiny fanohanana ara-bola avy amin’ny Fanjakana
– Ny fandrosoan’ny asa amin’ireo tetikasa goavana: Volobe, Sahofika, Ranomafana, Antetezambato.
✴️ Nanatrika ny fivoriana sy nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH sy ireo Rantsamangaika, ny Minisitra Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *