Angovo azo havaozina eto Nosy Be
Fananganana ny 5MWc eto Madiro
⚒️ Natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 24 Mey 2025 ny asa fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro, eto Madiro, Nosy Be. Nitarika ny lanonana ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Andry Rajoelina , notronin’ny Praiministra Lehiben’ny Governemanta, Atoa NTSAY Christian, sy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier ary ireo mpikambana maro ao amin’ny Governemanta. Maro ihany koa ireo olom-boafidy isan-tsokajiny.
✳️ Izao tetikasa izao dia anisan’ny miaro ny tontolo iainana amin’ny fiovaovan’ny toetry ny andro, no mampihena ny fandaniana amin’ny fividianana solika ho famokarana herinaratra, ka hahazoantsika tahirim-bola (économie) mitentina manodidina ny 7 000 000 000 Ar isan-taona ho an’ny eto Nosy Be fotsiny. Ity toby hapetraka ity dia hanana tanjaka 5MWc ary hanana vatoaratra hatramin’ny 3,20 MWh.
✅️ Araka izany dia hanatsara ny famokarana herinaratra eto Nosy Be ity tetikasa ity satria hisahana ny 85 % amin’ny filàna eto an-toerana ny atoandro, ary 41 % kosa ny alina.
❇️ Asa fanatanterahana ny Tetikasa #50MW izay vola madiodion’ny Fanjakana Malagasy. Tarigetra ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Tanjona ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra eto Madagasikara, hatramin’ny taona 2030.
🤝 Ho an’ny Nosy Be manokana dia , ho vita afaka herinandro vitsivitsy ny fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro, hanana tanjaka 3MWc, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina (#3P).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *