
Angovo azo havaozina
Himasoana ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra

Miditra tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina isika eto Madagasikara. Ny tontolo ambanivohitra no atao laharam-pahamehana amin’ny fampidirana herinaratra. Tanjona lehibe indrindra ao anaty fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (
#PGE) ny fampitomboana hatramin’ny 80% ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, ka ny 85% amin’ny famokarana no kendrena ho avy amin’ny angovo azo havaozina.

Fanoitra goavana ho fanatrarana ny tanjona, ny fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (
#3P).

Tontosa androany 10 Avrily 2025 teto amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy ny atrikasa fampahafantarana ny famatsiam-bola ho an’ny sehatra tsy miankina, amin’ny alalan’ny Tetikasa «
#DECIM », izay tohanan’ny Banky Iraisam-pirenena. Ny « Bamboo Capital » no mitantana ny tetibola, izay namelabelatra momba ny « Financement Basé sur les Résultats » (
#FBR) sy ireo fomba arahina hahafahana misitraka izany.

Hiompana amin’ny fananganana ireo tambazotra tobim-pamokarana madinika (mini-réseaux) ny fampidirana ny herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Tarigetra ny fampandrosoana amin’ny lafiny ara-toe-karena, sy ny fanampiana ny mponina amin’ny asa fivelomana.

Nanokatra ny atrikasa androany ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH) Atoa ANDRIANTSOA Thierry, notronin’ny Solontena maharitry ny Banky Iraisam-pirenena, sy ny Solontenan’ny
#BEI, ny Solontenan’ny
#AFD, ny Solombavambahoaka mpikambana ao amin’ny Vaomiera Angovo, ireo mpiara-miombon’antoka isan-tsokajiny, fa indrindra ny avy amin’ny sehatra tsy miankina.