Angovo azo avaozina :
CS miisa telo vaovao
Afaka fotoana fohy dia ho vita tanteraka ary hamokatra herinaratra ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale Solaire na CS) miisa telo (3) ato amin’ny Faritra DIANA sy SAVA.
– Voalohany ny CS ao Daraina (Distrika Vohémar/Faritra SAVA) izay hanana tanjaka 33 KWc. Vita 100% ny fananganana ireo takela-masoandro. Asa atao ankehitriny ny mampitohy ireo tariby mitondra herinaratra sy mametaka kaontera isan-tokantrano
– Faharoa ny CS Antsakoabe (Distrika Antsiranana II / Faritra DIANA) izay hanana tanjaka 18 KWc ary hamatsy tokantrano miisa 300. Efa vita 100 % ny asa fananganana ny CS. Asa atao farany ny fampitohizana ireo tariby mitondra herinaratra sy mametaka kaontera isan-tokantrano
– Fahatelo ny CS ao Ambilo (Distrika Ambilobe/Faritra DIANA), izay hanana tanjaka 33KWc ary hamatsy herinaratra tokantrano miisa 450. Asa atao izao ny mampitohy ireo tariby mitondra herinaratra sy mametaka kaontera isan-tokantrano
Izao dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ny sehatra tsy miankina (3P). Tanjona amin’ny fananganana ireo CS manerana ny Nosy, ny fialàna tsikelikely amin’ny fampiasana solika mavesatra sy ny vola lany amin’izany, ary ny fiahiana ny tontolo iainana.
Sary: DIEH Antsiranana