Angovo azo havaozina
🌞 Efa miasa ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro eto #Ambanja
✅️ Porofo hita maso sy azo tsapain-tanana amin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (#PGE) momba ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina eto Madagasikara.
👏 Vita ny asa fananganana ary efa miasa nanomboka ny 17 Aogositra 2025 lasa teo, ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny msoandro (#CentraleSolaireHybride) 🌞 na #CS eto amin’ny Distrikan’Ambanja .
✳️ Manana tanjaka 825 kWc ity CS ity, « onduleurs » miisa 11 amina 75kW, takelamasoandro miisa 2.970 manome 330W. Ankilany moa ireo milina mpihary herinaratra miisa 4 izay manana tanjaka 2.300 kW. ➡️ Manodidina ny 1.100 hatramin’ny 1.300 kW ny filàna herinaratra eto Ambanja amin’ny atoandro (pointe jour) ary 1.700 hatramin’ny 1.900 kW ny alina (pointe nuit).
🤝 Ny orinasa « First Energy » no nanao ny fananganana ny fotodrafitrasa, vokatry ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (#3P).
✴️ Tanjona ny hanome angovo madio sy maharitra ary amin’ny vidiny takatry ny daholobe, sy ny fialana tsikelikely amin’ny fampiasana Gazoala na solika mavesatra amin’ny famokarana herinaratra.
👉 Izao koa dia taratry ny firosoana amin’ny vina hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra eto Madagasikara hatramin’ny taona 2030, ka laharam-pahamehana ny tontolo ambanivohitra.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *