🟩 Fandrafetana ny Politika Nationaly momba ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara
✳️ Tontosa ny 5 sy 6 Aogositra 2025 tao amin’ny » Hôtel Etoile de Mer» Toliara ny Atrikasa fampahafantarana ny Politika Nasionaly momban’ny fampiroboroboana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio eto Madagasikara (Lettre de Politique de Développement de la Cuisson Propre à Madagascar). Fiaraha-misalahy teo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny #PNUD ary ny Kabinetra SAPPHYRE R&D no nahafahana nandrafitra izany.
➡️ Efa maro ireo mpisehatra amin’ny famokarana angovo madio amin’ny fahandroana sakafo eto amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ary efa maro ireo vokatra izay vitan’izy ireo, kanefa mbola betsaka no tsy mpikambana ao amin’ny « Malagasy Clean Cooking Initiative » #MCCI. 👉 Araka izany dia nisy ny fanentanana ireo mpisehatra hiditra ao anatin’ny MCCI izay fikambanana ofisialy hivondronan’ireo mpisehatra amin’ny fanamboarana angovo madio amin’ny fahandroana sakafo eto Madagasikara.
⏹️ Taorian’ny fampahafantarana ny Politika Nasionaly no nanolorana ireo paikady hoentina manatanteraka izany ka nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra ireo mpisehatra sy ireo rehetra tonga nanatrika ny atrikasa, ary samy nanome soso-kevitra hoentina hanatsarana ity Politika ity. Nisy ny fanentanana sy fampirantiana ireo vokatra izay vokarin’ireo mpisehatra toy ny « #Biocharbon, #Pellets, #FatanaMitsitsy ».
✅️ Tafiditra amin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (#PGE) sy ho fanatrarana ny #ODD7 ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fahandroana sakafo amin’ny alalan’ny angovo madio. Mifanome tanana amin’ny fanatontosana ny Tetikasa ny Ministera maromaro sy mpikambana ao amin’ny « Comité Ad’hoc » ahitana ny solontena avy amin’ny #MEH, #MEDD, #MPS, #MICC, #MINAE, #MINSANP, #MEF.
✴️ Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny MEH ny Talen’ny Fampiroboroboana ny Ethanol sy ny Angovo avy amin’ny Akora Biolojika (DPEBIO), Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis.
✳️ Ity atrikasa teto Toliara ity no namarana ny fitetezam-paritra.