
Mahambolona, Mananara Avaratra Zoma 25 Jolay 2025

Fitokanan’ny Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara, Atoa
#AndryRajoelina,

ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny masoandro (centrale hybride solaire)

Tanjaka : 1,5 MWc

Vatoaratra (batterie) 741 kWh

Miantoka ny 75% amin’ny filàna herinaratra eto Mananara Avaratra ny atoandro

Tahiry (économie) amin’ny vidin-tsolika : 435.000L isan-taona na 2 miliara Ar mahery isan-taona

Tombontsoa ny fanenana ny entona karbonika ho an’ny tontolo iainana, ny fanenana ny vola lany amin’ny fividianana solika ho famokarana ny herinaratra sy ny fikojakojana ireo milina isan-karazany

Mitantana ny tobim-pamokarana herinaratra :
#JIRAMA

Nanangana ny fotodrafitrasa : ny Henri Fraise Fils & Cie (
#HFF) vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (
#3P)

Famatsiam-bola : Fanjakana Belge amin’ny alalan’ny
#FINEXPO

Tanjona : fampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina sy hampitombo avo roa heny ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030.