Fahandroana sakafo amin’ny angovo madio
Fandrafetana ny politika nasionaly
❇️ Nosokafana ny faha 02 Jolay 2025 ary haharitra roa andro eto amin’ny « Hôtel Radisson » Ambodivona ny Atrikasa fanehoana ny drafitra voalohany (1er livrable) ny politika nasionaly amin’ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin’ny angovo madio ho an’ny Madagasikara (Cuisson Propre/Clean cooking). Fiaraha-misalahy eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH) sy ny #PNUD ary ny Kabinetra SAPPHYRE R&D no nahafahana nandrafitra ny Politika nasionaly, taorian’ny fakan-kevitra natao tamin’ny mpisehatra maro samihafa manerana ny Nosy.
⏹️ Ankehitriny dia manodidina ny 95 % amin’ny tokantrano Malagasy no mbola miankina tanteraka amin’ny fomba fahandroana sakafo amin’ny arina fandrehitra sy kitay (charbon de bois et bois de chauffe), izay misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana.
▶️ Tafiditra tanteraka amin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana (PGE) sy ho fanatrarana ny ODD7, ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampiasana ireo angovo azo havaozina sy akora biolojika, mifanaraka amin’ny fomba fahandroana sakafo madio, mba hialàna amin’ny fahapotehan’ny ala izay mahatratra 200.000ha isan-taona, ary indrindra ny fiantraikany amin’ny toe-pahasalamana, 16 000 isan-taona ny taha-pahafatesana.
✴️ Nisolo tena ireo Ministera voakasik’ity tetikasa ity ireo mpikambana anatin’ny « comité Ad-hoc » ahitana ny solontena avy amin’ny #MEH, #MEDD, #MPS, #MICC, #MINAE, #MINSANP. Nisolo tena ny Ministeran’ny Angovo sy Akoranafo ny Tale Jeneraly, Atoa RAMIANDRASOA Sambatra, sy ny Tale misahana ny fampiroboroboana ny « ethanol » sy ny angovo azo avy amin’ny akora biolojika, sady mitarika ny « Comité Ad-hoc », Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis. Hitohy any amin’ny Faritra hafa ity atrikasa ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *