FAMARANANA NY TETIKASA « DEVEL’UP » 🔹
🎉 Tontosa soa aman-tsara ny tetikasa!
Ny Tetikasa « DEVEL’UP » (Développement de l’Entreprenariat à travers la Valorisation de l’Economie Locale et des Usages Productifs) dia nahavita nanohana mpandraharaha (AGR) 30 mahery sy nanatsara ny famatsiana herinaratra tao amin’ny Kaominina ambanivohitra miisa folo (10) ao anatin’ny faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana no nisitraka ny tetikasa.
📍 Notanterahina tao Ambovombe-Androy ny 21 febroary 2025 lasa teo ny atrikasa famaranana izay notarihin’i Talen’ny Kabinetra avy ao amin’ny faritra Androy, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka teto an-toerana : ADER, FONDEM, FIMIFA, sy ireo solontenan’ny mpisitraka avy amin’ny kaominina, ireo mpitantana sady mpamatsy herinaratra ary ny mpandraharaha nahazo fanohanana (UPE).
🔋 Fiovana azo tsapain-tanana :
✅ Fanomezana fitaovana fiarovana & fanofanana ho an’ireo mpamatsy herinaratra
✅ Fanatsarana sy fanitarana ny tobim-pamokarana herinaratra
✅ Fanomezana fitaovana fandrefesana ny angovo lany izay ampiasaina fahana (compteur pré-payé)
✅ Fitomboan’ny isan’ny mpanjifa
✅ Fampiroboroboana ny lafiny ara-toekarena amin’ny alàlan’ny fampiasana herinaratra
🏆 Azo lazaina arak’izany fa fahombiazana tanteraka no azo tamin’ity tetikasa ity ary inoana fa mbola hiampy ireo vokatsoa azo tsapain-tanana amin’ireo faritra nisitraka azy.
🎯Ny fanirian’ny rehetra mpizaika dia ny mba hisian’ny tetikasa manaraka na ny « DEVEL’UP II ».

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *