Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina
Anisan’ireo Firenena 3 voasafidy i Madagasikara
✳️ Ao anatin’ny fampiroboroboana ireo ezaka eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina (transition énergétique), dia Firenena 3 no voasafidy ho fitaratra (pilotes): Botswana, Gambie ary Madagasikara. Izao dia tafiditra ao anaty fanatanterahana ny Fandaharanasa « #AFRETRAP« , tarihin’ny Vondrona Afrikanina (#UnionAfricaine). Miara-misalahy ny Vaomiera Afrikanina amin’ny Angovo (#AFREC).
▶️ Hiroso amin’ny fandrafetana ny Tondrozotra nasionaly hamaritra ireo dingana sy fepetra isan-karazany, hialana amin’ny fiankinan-doha sy fampiasana angovo mamoaka entona ratsy ho an’ny tontolo iainana na « gaz à effet de serre » (#GES). Laharam-pahamehana ny « décarbonation profonde » (#NDDP), amin’ny alalan’ny firosoana lalina sy haingana amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina.
✅️ Ho fanomanana izany, dia nisy, ny 17 Marsa 2025, ny fihaonana teto Ampandrianomby teo amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, notarihin’ny Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa ANDRIANTSOA Thierry, sy ny Delegasiona notarihin’ny Talem-paritry ny « International Electrotechnical Commission » (#IEC) eto Afrika, Atoa François AHOTI, notronin’ireo solontena avy amin’ny (#NEC).

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *