𝗙𝗔𝗠𝗔𝗧𝗦𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗛𝗘𝗥𝗜𝗡𝗔𝗥𝗔𝗧𝗥𝗔 : 𝗠𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗼𝗹𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝘁𝗮𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗺𝗮𝘁𝘀𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘀𝗼𝗹𝗶𝗸𝗮

Maromaro ireo faritra mampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby na ny « délestage » tato anatin’ny andro vitsivitsy izao, nohon’ny fahataran’ny famatsiana solika.

Voatery mitsitsy ny tahirin-tsolika eo am-pelatanana arak’izany ny orinasa
#JIRAMA mba ho fisorohana ny fahatapahan-jiro faobe.

Mikaon-doha andro sy alina ny mpitantana ny orinasa
#JIRAMA sy ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo
#MEH mitady vahaolana mba hampihenana ny fahatapahan-jiro mifandimby.

Efa manomboka tonga any amin’ny faritra sasany amin’izao fotoana izao ny solika entina mampihodina ireo milina mpihary herinaratra. An-dalana kosa ny an’ireo izay somary lavidavitra sy saro-dalana.

Mbola misy anefa ireo izay tsy maintsy hampihatra ny fahatapahan-jiro mifandimby.

𝑨𝒐 𝒂𝒏𝒂𝒕𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒗𝒂𝒉𝒂𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒍𝒂𝒗𝒊𝒕𝒓’𝒆𝒛𝒂𝒌𝒂 𝒏𝒚:

Fanafainganana ny fametrahana ireo foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 amin’ny distrika 37 mba hialàna amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika.

Fanafainganana ihany koa ny fametrahana foibe famokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo ka isan’ny hanomboka atsy ho atsy ny 20MW ao Moramanga.