๐— ๐—˜๐—› โ€“ ๐—™๐—œ๐—ง๐—œ๐—ฆ๐—œ๐——๐—œ๐—›๐—”๐—ก๐—” ๐—˜๐—ง๐—ข ๐—”๐—ก๐—ง๐—ฆ๐—œ๐—ฅ๐—”๐—ก๐—”๐—ก๐—” โ€“ ๐—™๐—”๐—ฅ๐—œ๐—ง๐—ฅ๐—” ๐——๐—œ๐—”๐—ก๐—”
Vinanโ€™ny fitondram-panjakana tarihinโ€™ny filoha Andry RAJOELINA ny ยซ hazavana ho anโ€™ny rehetra ยป.
Miroso aingana manatanteraka izany fanamby izany ny Minisitera. Nidina ifotony eto Antsiranana โ€“Faritra Dianany alakamisy 16 marsa 2023 ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo Solo ANDRIAMANAMPISOA.
Ny atoandro ihany dia nijery ny toby mpamokatra herinaratra avy aminโ€™ny masoandro (Centrale solaire) tao Ankoriky hely, kaominina ambanivohitry Ramena. Manana tanjaka 2,4MWc ity toby mpamokatra herinaratra ity ary efa mamatsy tanteraka ny tanร nan’Antsiranana.
Tsy hiandry ela fa hatomboka ny tapany faharoa amin’ny asa fanamboarana toby mpamokatra herinaratra avy aminโ€™ny masoandro (Parc solaire) manana tanjaka 5 MWc ho an’Antsiranana ihany hoy Andriamatoa Minisitra.
Ny hariva dia fitsidihana sy dinika ara-tekinika tany amin’ny Centrale ENELEC ao Antsiranana. Voamarina tao anatinโ€™izao fitsidihana izao fa ampy tsara ny famokarana ny Angovo eto Antsiranana. Ny fahatapan-jiro no tokony hialana sy hijerena vahaolana.
Nitohy ny fitsidihana tao aminโ€™ny Site Joffre Ville: Ity toerana ity dia hanamboarana Centrale Hybride solaire-รฉolienne hanana tanjaka avy aminโ€™ny masoandro 31,28 KWc sy avy aminโ€™ny รฉolienne 30 KW.
Tapaka fa tsy maintsy mijery hevitra hafa sy aingana hanoloana ilay convertisseur mba handehananโ€™io Toby io. Hirosoana ihany koa ny dinika tekinika aty an-toerana.
Toy ny nataonโ€™ny fitondrana taminโ€™ireo fokontany maro tao Antananarivo sy Toamasina ary Mahanoro dia natomboka taminโ€™ny fomba ofisialy teto Antsiranana ihany koa ny tetikasa ยซ Hazavana anโ€™elakelantrano ยป, ka elakelatrano 1 kilometatra sy sasany ao aminโ€™ny Fokontany Mahatsara no nisitraka izany voalohany. Naneho ny hafaliany sy fankasitrahany izao fahazoana hazavana teny anivonโ€™ny elakelatrano izao ireo vahoaka sy ny tomponโ€™andraikitra tany an-toerana.
Nanambara Andriamatoa Minisitra fa hatomboka tsy ho ela eto Antsiranana ny Tetikasanโ€™ny fitondram-panjakana ยซ Branchement Mora ยป sy fanaparitahana ireo ยซ Kits solaire ยป.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *