| 𝗙𝗶𝘁𝘀𝗶𝗿𝗶𝗵𝗮𝗻𝗮 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗿𝗼𝗮 𝗙𝗘𝗖-𝗙𝗥𝗗 (2ème revue) : 𝗡𝗮𝗵𝗮𝘇𝗼 𝗳𝗮𝗻𝗸𝗮𝘁𝗼𝗮𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗮𝘃𝘆 𝗵𝗮𝘁𝗿𝗮𝗻𝘆 |
Antaninarenina,

faha 14 Aprily 2025


Nahazo fankatoavana (𝗦𝘁𝗮𝗳𝗳 𝗟𝗲𝘃𝗲𝗹 𝗔𝗴𝗿𝗲𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁) avy hatrany avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI) i Madagasikara taorin’izao iraka fitsirihana faharoa izao. Izany fanambarana izany dia niarahan’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘦𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘪𝘵𝘢𝘯𝘢𝘯𝘢𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢, ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘯𝘨𝘰𝘷𝘰 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘈𝘬𝘰𝘳𝘢𝘯𝘢𝘧𝘰, ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰 𝘐𝘢𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘓𝘰𝘷𝘢𝘪𝘯𝘫𝘢𝘧𝘺, ny 𝘎𝘰𝘷𝘦𝘳𝘯𝘰𝘳𝘢𝘯’𝘯𝘺 𝘉𝘢𝘯𝘬𝘺 𝘍𝘰𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘪 𝘔𝘢𝘥𝘢𝘨𝘢𝘴𝘪𝘬𝘢𝘳𝘢 ary ny 𝘭𝘦𝘩𝘪𝘣𝘦𝘯’𝘯𝘺 𝘪𝘳𝘢𝘬𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘩𝘪𝘳𝘪𝘮-𝘣𝘰𝘭𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢.

Araka ny fanazavàna dia fanaraha-maso ireo maso-tsivana napetraka tamin’ny desambra 2024 no natao nandritra ity fotoana ity ka nahazoana io 𝗦𝘁𝗮𝗳𝗳 𝗟𝗲𝘃𝗲𝗹 𝗔𝗴𝗿𝗲𝗲𝗺𝗲𝗻𝘁 io ary ny fandefasana ireo antontan-taratasy any amin’ny filankevim-pitantanan’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sisa no andrasana.

Misy karazany telo ireo antotan-taratasy ireo ka isan’izany ny :

Sehatry ny angovo izay hiompanan’ny programa mahakasika ny Solika sy ny orinasa Jirama. Ho an’ny Solika dia hisy ny famoahana didim-pajakana mamaritra indray ny vidin-tsolika mandritra ny enim-bolana manaraka.


Ho an’ity faharoa kosa dia efa eo am-pandrafetana ny “plan de redressement” ‘ny orinasa Jirama ny tompon’andraikitra.

Sehatry ny tontolo iainana izay amoahana didim-panjakana


: (𝗮) fametrahana ny komity iraisan’ireo minisitera rehetra mandrafitra ny governemanta, momban’ny tontolo iainana izay ho tarihan’Andriamatoa Praminisitra sy ny (𝗯) didim-panjakana MECIE.

Ankoatra izay dia hisy ihany koa ny fanavaozana ny “réforme sur le marché carbone » izay ny taona 2021 no natao farany ary atolotra amin’ity volana aprily ity ny didim-panjakana mametraka izany.

Fankasitrahan’ny FMI ny fahazoana mametraka ny didim-panjakana momban’ny “dépositaire central” izay fifanarahana eo amin’ny Banky Foiben’I Madagasikara sy ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Eo ihany koa ny fiezahan’ny BFM mihazona ny sandam-bola na dia misy fiantraikany betsaka aza ny politika vaovaon’ny Amerikanina amin’izao fotoana izao.

Marihana moa fa efa roa taona izao tsy nisy izao fankatoavana avy hatrany ny fitsirahana izao ka izao no porofo fa miara-miasa tsara ny fitondram-panjakana sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena (FMI).