Nosoniavina androany 26 may 2023 teny amin鈥檔y Lapam-panjakana Iavoloha ny fifanarahana amin’ny fanatanterahana ny tetikasa Volobe Amont eo amin’ny orinasa CGHV (Compagnie G茅n茅rale d鈥橦ydro茅lectricit茅 de Volobe) sy ny fanjakana Malagasy. Ity tetikasa ity dia hamokatra herinaratra avy amin’ny riandrano izay hamokatra hatramin鈥檔y 750 GWh isan-taona ary hanana tanjaka 120MW, ary vahoaka malagasy maherin’ny 2 tapitrisa no tombanana hisitraka ity tetikasa ity ao amin鈥檔y Faritra Atsinanana.
Tsy mitsahatra mitady vahaolana amin’ny fanatsarana sy ny fampitomboana ny famokarana herinaratra eto Madagasikara sy ny hanarenana ny orinasa Jirama ny Fitondram-panjakana ary anisan’izany ny fametrahana tetikasa avy amin’ny angovo azo havaozina tahaka ity ao Volobe ity hoy ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Ny fametrahana tetikasa famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina sy lovain-jafy tahaka ity dia hampihena ny sandam-pamokarana herinaratra ka hampihena araka izany ihany koa ny vidin-jiro. Anisan’ny izany ny tetikasa Sahofika izay hananana tanjaka hatramin鈥檔y 192MW, efa voasonia ary an-dalam-panamboarana ny tobim-pamokarana any Ranomafana manana tanjaka 64MW, eo ihany koa ny Mandraka 3 sy ny PRIRTEM 1 sy 2.
Nambaran’ny Filoham-pirenena ihany koa fa ny Fitondram-panjakana dia efa miroso amin鈥檔y fametrahana ireo tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro miisa 37 manerana ny Nosy toy ny any Anosibe an’ala, Amparafaravola, Andilamena, Tanambe, Iakora, Nosy Varika, Tsihombe, sns

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publi茅e. Les champs obligatoires sont indiqu茅s avec *