๐Œ๐ˆ๐ƒ๐ˆ๐๐€ ๐„๐“๐Ž ๐“๐Ž๐€๐Œ๐€๐’๐ˆ๐๐€ ๐๐˜ ๐๐‘๐€๐ˆ๐Œ๐ˆ๐๐ˆ๐’๐ˆ๐“๐‘๐€ ๐‹๐„๐‡๐ˆ๐๐„๐โ€™๐๐˜ ๐†๐Ž๐•๐„๐‘๐๐„๐Œ๐€๐๐“๐€
๐‘ณ๐’‚๐’‘๐’‚๐’โ€™๐’Š ๐‘ด๐’‚๐’‰๐’‚๐’›๐’๐’‚๐’“๐’Š๐’—๐’
[๐‘ญ๐’‚๐’‰๐’‚-21 ๐’๐’๐’—๐’‚๐’Ž๐’ƒ๐’“๐’‚ 2024]
โœ… Nidina nijery ny fomba hanafainganana ny fitaterana sy fampiakarana any Antananarivo ny ยซ Groupe ยป lehibe mahatratra 105 MW, izay efa eto aminโ€™ny Seranan-tsambonโ€™i Toamasina ny Praiminisitra, Lehibenโ€™ny Governemanta Ntsay Christian, androany. Nanotrona azy taty an-toerana ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Andriamatoa Ramonjavelo Valรฉry, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Andriamatoa Jean-Baptiste Olivier, sy ny Minisitry ny Asa vaventy, Andriamatoa Rafidison Richard Thรฉodore. Miaraka aminโ€™izy ireo aminโ€™izany koa, ireo tomponโ€™andraikitra sy teknisiana maro isan-tsokajiny voakasikโ€™io asa io, sy ireo avy ao aminโ€™ny orinasa TRIGU, HFF, JIRAMA sy ny LNTPB, ary ny avy aminโ€™ireo tetikasa vatsianโ€™ny mpiara-miombonโ€™antoka amintsika aminโ€™ny asa fikojakojana ny lalam-pirenena faharoa na ny RN2.
๐Ÿ‘‰๐Ÿปยซ Tsy maintsy tadiavina ny vahaolana maika hampiakarana ireo fitaovana ireo ยป, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Noho izany, dia tapaka fa hatomboka aminโ€™ny faha-2 desambra ho avy izao ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja mankadiry handrafetana ny Groupe 105 MW ireo, ao Ambohimanambola, Antananarivo.
๐ŸŸ Taorianโ€™ny fitsidihana nataonโ€™ny Praiminisitra Ntsay Christian tao aminโ€™ny Seranan-tsambo ny maraina teo, dia nirotsaka avy hatrany nanaraka ny RN2 ny tenany, nanao fanaraha-maso akaiky ny asa maika tsy maintsy atao, hanamafisana ireo tetezana miisa telo ambiny folo (13). Izany dia ahafahana miroso aingana aminโ€™ny fitaterana ireo fitaovana sy kojakoja ireo.
โžก๏ธNandritra ny fitsidihana taty an-toerana dia nanome toromarika ny tomponโ€™andraikitra voakasika rehetra ny Praiminisitra, aminโ€™ny hanajana ny tetiandro voafaritra, ary hanara-maso ny fanatanterahana izany mihitsy ny tenany. Marihana fa izao dingana izao, no mitarika aminโ€™ny famerenana aminโ€™ny laoniny ny famokarana herinaratra manerana ny Faritra eto Madagasikara, fa indrindra ny eo aminโ€™ny tambazotra Iraisanโ€™Antananarivo na RIA, araka ny toromarika nomenโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika Andry Rajoelina, vao herinandro vitsivitsy lasa izay.
๐ŸŽฏNanararaotra ny fidinana taminโ€™iny lalam-pirenena iny ny Praiministra, namantatra ny dingana fanombohana ny asa fikojakojana ny RN2. Misokajy ho ampahany roa lehibe ny asa. Ny orinasa CRCC no nahazo ny tsenam-barotra hanatanteraka ny fikojakojana ny tapany voalohany eo anelanelanโ€™i Moramanga sy Toamasina. Ny tapany faharoa eo anelanelanโ€™i Sambaina sy Moramanga kosa, dia ny orinasa CHEC no hanao azy.
๐—ก๐˜† ๐—ฆ๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ฒ๐—ฟ๐—ฎ

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiรฉe. Les champs obligatoires sont indiquรฉs avec *