๐๐๐ – ๐
๐ข๐๐๐ง๐๐ซ๐๐ข๐ฌ๐๐ง๐ ๐ข๐ซ๐๐ข๐ฌ๐๐ฆ-๐ฉ๐ข๐ซ๐๐ง๐๐ง๐
Fanamafisana ny fiaraha-miasa eo aminโireo mpiaramiombonโantoka iraisam-pirenena sy ny Minisiteranโny Angovo sy ny Akoranafo.
Nandray ny masoivohon’ny vondrona Eropeana izay notarihinโI Ramatoa Isabelle DELATTRE ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Solo ANDRIAMANAMPISOA, ny Alarobia 15 marsa 2023. Fitsidihana ara-pomba ofisialy izay nahafahana niresaka ny mahakasika ny tetikโasa iarahanโny roa tonta miasa toy ny PRIRTEM I sy II. Tao anatin’izao fitsidihana ara-pomba fanajana izao no niresahana ny ho fiaraha-miasa sy hitondrana fanampiana mitentina 8 tapitrisa Euro mahakasika ny fampisitrahana jiro any ambanivohitra izay tafiditra tanteraka ao anatinโny Velirano faha 2 ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny AFD na ny Agence Franรงaise de Dรฉveloppement.
Ny Alarobia 15 marsa 2023 io ihany koa no tonga nanatanteraka ny fitsidihana ara-pomba fanajana ny Masoivohon’i Indonezia izay notarihinโAndriamatoa Benny Siahaane.
Izao fitsidihina ara-pomba ofisialy misesy izao dia midika fa vonona ireo vondrona iraisam-pirenena hanohana ny fandaharanโasanโizao fitondrana izao izay tarihinโny Filoha Andry RAJOELINA indrindra ny fampiroborobona ny sehatry ny angovo.
Tsara ny manamarika fa efa noraisin’Andriamatoa Minisitra, Solo ANDRIAMANAMPISOA, ihany koa ny Talen’ny Tetikasa eo anivon’ny GIZ PERER Carlos Miro. Tetik’asa maro manodidina ny herinaratra eny ambanivohitra no tena hiasan’ity sampana avy any Alemana ity ka hiarahany amin’ny minisitera.