
Dingana lehibe amin’ny fanarenana ny Orinasa JIRAMA ny firosoana amin’ny fampiasana Angovo azo havaozina, mba hahafahana mampidina ny saran’ny famokarana herinaratra sy manatsaratsara kokoa ny tolotra omena ny Mpanjifa.
Misy arak’izany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Orinasa JIRAMA sy ny Orinasa LOCAPRO amin’ny famokarana sy fividianana angovo amin’ny toerana miisa efatra dia Ambatondrazaka, Andilamena, Tanambe ary Amparafaravola. Tanjona ny hanatsarana ireo vondrom-pihariana herinaratra efa misy sy hafanainganana ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro mba hampihenana ny fandaniana amin’ny solika.
Tsara marihina fa ny fanovana ireo tobim-pamokarana efa misy ho hybride dia ny mba hialana amin’ny fiankinan-doha amin’ny solika sy ihany koa ho fiarovana ny tontolo iainana.