
Dingana lehibe amin鈥檔y fanarenana ny Orinasa JIRAMA ny firosoana amin鈥檔y fampiasana Angovo azo havaozina, mba hahafahana mampidina ny saran鈥檔y famokarana herinaratra sy manatsaratsara kokoa ny tolotra omena ny Mpanjifa.
Misy arak鈥檌zany ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin鈥檔y Orinasa JIRAMA sy ny Orinasa LOCAPRO amin鈥檔y famokarana sy fividianana angovo amin鈥檔y toerana miisa efatra dia Ambatondrazaka, Andilamena, Tanambe ary Amparafaravola. Tanjona ny hanatsarana ireo vondrom-pihariana herinaratra efa misy sy hafanainganana ny fametrahana tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin鈥檔y herin鈥檔y masoandro mba hampihenana ny fandaniana amin鈥檔y solika.
Tsara marihina fa ny fanovana ireo tobim-pamokarana efa misy ho hybride dia ny mba hialana amin鈥檔y fiankinan-doha amin鈥檔y solika sy ihany koa ho fiarovana ny tontolo iainana.