𝗧𝗲𝘁𝗶𝗸’𝗮𝘀𝗮 𝗟𝗘𝗔𝗗: 𝗡𝗮𝗻𝗼𝗹𝗼𝘁𝗿𝗮 𝗳𝗶𝗮𝗿𝗮 𝘁𝘀𝘆 𝗺𝗮𝗵𝗮𝘁𝗮𝗵𝗼-𝗱𝗮𝗹𝗮𝗻𝗮 « 𝗽𝗶𝗰𝗸-𝘂𝗽 » 𝗺𝗶𝗶𝘀𝗮 𝘁𝗲𝗹𝗼 𝗮𝗺𝗯𝗶𝗻𝗶𝗳𝗼𝗹𝗼

Mihazakazaka ny fanatanterahana ireo tetik’asa iarahan’ny orinasa
#JIRAMA amin’ny mpamatsy vola toy ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny tetik’asa LEAD (Least-Cost Electricity Access Dévelopment).

Ity tetik’asa ity izay miompana amin’ny fanatsarana sy fanitarana herinaratra amin’ny vidiny mora kokoa. Eo ihany koa ny fitsinjarana, ny « Branchements Mora » ary ny famatsiana herinaratra ireo CSB rehetra manerana ny Nosy.

Roa herinandro taorian’ny fampitaovana kamiao miisa dimapolo avy amin’ny tetik’asa, dia atolotra amin’ny fomba Ofisialy androany 06 Aprily 2023, ny
#MEH sy ny
#JIRAMA, eto Analamahitsy ihany koa ireo fiara tsy mahataho-dana « pick-up » miisa 13.

Ireo teknisiana misehatra amin’ny famokarana, fitaterana ary fitsinjarana herinaratra no hahazo tombony voalohany amin’izao fiara izao ho :

Fanafainganana ny asa fitaterana ireo kojakoja sy kaontera entina manatanteraka ny « Branchements Mora ».

Hivezivezena mandritra ny asa fanatsarana sy fanitarana ny tambazotra.

Manampy betsaka ny JIRAMA amin’ny tsy fahampin’ny fiarakodia entina manatanteraka ny asa maika amin’ny fahatapahan-jiro sy rano.

Ampiasaina ihany koa amin’ireo fampidirana jiro mbola miantona.

Ho avy manaraka ny fitaovana sy ny kojakoja samihafa toy ny « Kits » sy ny kaontera ho an’ny « Branchements Mora ».