Alahady 23 Novambra 2025 : vita ny asa fanamboarana ny vata mpanova herinaratra (Transformateur) eto amin’ny « Sous-station Tanà Nord » ary efa mandeha manomboka tamin’ny 12 ora alina mahery izany.
🛠 Araka ny nambaran’ireo Teknisianina dia karazana fahasimbana mbola tsy fahita sy tsy nisy hatrizay no fahavoazana teto.
➡️ Teny an-toerana nijery akaiky ny asa sy nankahery ireo Teknisianina ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Andriamatoa RALITERA Ny Ando Jurice, sy ny Tale Jeneralin’ny #JIRAMA, Andriamatoa Ron WEISS.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *