Vahaolana ho an’ny RIA
Feno ireo fitaovan’ny 105 MW
✅️ Tonga ireo ambina fitaovana nandrasana. Omaly Zoma 6 Jona 2025 no tafidina an-tanety ao amin’ny Seranantsambon’i Toamasina, ireo « altérnateurs » miisa 7 izay milanja 64 taonina tsirairay avy, sy ireo « transformateurs » miisa 3 milanja 50 taonina avy.
✳️ Ireo « blocs moteurs » miisa 7 izay milanja 70 taonina tsirairay avy moa, dia efa tonga tamin’ny 2024. Feno tanteraka ankehitriny ireo fitaovana hoenti-manangana ny tobim-pamokarana herinaratra hanana tanjaka 105 MW etsy Ambohimanambola.
➡️ Ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo na « Réseaux Interconnectés d’Antananarivo » (#RIA) no hisitraka ny famatsiana herinaratra ho vokarina eny, izany hoe: Moramanga, Ambatolampy, Antsirabe, ny Faritra Itasy, ary mazava ho azy Antananarivo sy ny manodidina.
✴️ Ny dingana manaraka dia ny fitaterana an’ireto fitaovana ireto ho tonga etsy Ambohimanambola. Asa goavana hatao ny fanamafisana ireo tetezana miisa 13 amin’iny RN2 iny, mba hahazaka ny fandalovan’ireo fitaovana. Tanjona ny hanatsarana sy hanampiana tosika ny famatsiana herinaratra, ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *