Vahaolana amin’ny fahatapahan-jiro (#delestazy)
⚡️Araka ny tetiandro napetraky ny teknisianina, dia hanomboka hampiditra tsikelikely ny herinaratra amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (#RIA), amin’ny fiandohan’ny volana Desambra ho avy izao, ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro 🌞 (#CentraleSolaire /#CS) eto Ambohidrano Atsinanana, Kaominina Sabotsy Namehana
✳️ Nanome toromarika, amin’ny hanafainganana ny asa, ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, nandritry ny fidinana teto an-toerana, androany Alahady 2️⃣ Novambra 2️⃣0️⃣2️⃣5️⃣
➡️ Nomarihan’ Atoa MEH, fa hafainganina koa ny fahatongavan’ireo fitaovana ilaina eto an-toerana, hahafahana miasa andro aman’alina
🤝 Fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (Partenariat Public-Privé #3P) no hanatanterahana ny asa (Fampiasam-bolan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny #MEH / Fotodrafitrasa ho an’ny #JIRAMA / Manao ny asa fananganana ny #NEA)
▶️ Hitotaly 7️⃣MWc no ho vokarin’ny #CS eto Ambohidrano Atsinanana rehefa vita tanteraka ny asa fananganana manontolo. 🟩 Hisy vatoaratra (#batterie) hanana tanjaka 4,2 MWh ary vata mpanova herinaratra (#Transformateur) miisa 7, hitotaly 6.500 kVA
✅️ 60% amin’ireo tongony ( #vis) izao no efa voapetaka, ary 35 % amin’ireo takela-masoandro miisa 12.180 (#PanneauxPhotovoltaïques) no efa mitsangana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *