TSARATANANA
Nisedra olan’ny fahatapahan-jiro nandritra ny andro vitsivitsy ny mpanjifa eto Tsaratanàna vokatry ny fahasimbana milina mpihary herinaratra. Efa tonga eto an-toerana amin’izao fotoana izao ny milina mpihary herinaratra vaovao ary efa foana tsikelikely izany fahatapahan-jiro izany, nohon’ny fahafenoan’ny vokatra herinaratra.
Dingana lehibe ho amin’ny fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa izao tetik’asa fanapariahana vondrona mpihary herinaratra izao, izay marihina fa famatsiam-bolan’ny Orinasa JIRAMA, ny ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo #MEH ary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ka hisitraka izany avokoa ireo Faritra izay sahanin’ny Orinasa JIRAMA.