✳️ Mahitsy

⛽ Nahazo toby fivarotan-tsolika vaovao

 

✅ Notanterahina androany Talata 27 Janoary 2026 ny fitokanana tamin’ny fomba ofisialy ny toby fivarotan-tsolika vaovao an’ny « TotalEnergies » eto Mahitsy. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, notronin’ny Talen’ny Kabinetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy Famantarana ny Toetrandro (MTM), ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana (MINAE) ary ireo tompon’andraiki-panjakana isan-tsokajiny.

 

👉🏽 Ankehitriny dia, Distrika 82 amin’ireo 120 no misy toby fivarotan-tsolika, ka 341 no isan’ireto farany manerana ny Nosy. Ezaka ataon’ny Fanjakana Malagasy ny hananganana toby fivarotan-tsolika amin’ireo Distrika 38 tsy mbola manana. Mitaky fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa matanjaka eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ny hanatontosana izany.

 

❇️ Nasongadin’Atoa MEH ihany koa fa zava-dehibe amin’ny fisian’ny toby fivarotan-tsolika ny fiarovana ny mponina, indrindra amin’ny ady amin’ny fiparitahan’ny solika mitapoka sy ny fanaovana varo-maizina ataon’ireo mpanararaotra, ary ny loza mety hitranga isan-karazany.

 

🌞 Marihina fa miavaka ity toby fivarotan-tsolika vaovao eto Mahitsy ity satria mampiasa tanteraka ny angovo azo havaozina : mandeha manontolo amin’ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ka manaja sy miaro ny tontolo iainana.

 

🤝🏼 Araka ny fangatahan’ny Solontenan’ny Kaominina Ambanivohitr’i Mahitsy, dia hanampy amin’ny fanomezana sakafo ho an’ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana ny Vondrona « INVISO », izay nanatanteraka ny asa fananganana ny toby fivarotan-tsolika eto an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *