Herinaratra ho an’ny tontolo ambanivohitra
22,6MW vitan’ny ADER
✅ Fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny asa ataon’ny Sampandraharaha misahana ny Fampiroboroboana ny Herinaratra amin’ny Tontolo Ambanivohitra (ADER). Mahatratra 18% amin’ny taham-pisitrahana angovo no vitany tao anaty 20 taona nijoroany. Izany hoe : olona miisa 3.695.580, tanàna sy kaominina miisa 613, ary 22,6MW. Ny angovo azo havaozina no laharam-pahamehana : tafiditra ao ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny riandrano, sy ny masoandro.
✳️ Nankalazaina ny 12 Desambra 2025 teto amin’ny Radisson Blu Ambodivona, ny faha-20 taona niorenan’ny ADER, izay Ratsamangaika eto anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH).
❇️ Nampatsiahivin’ny MEH, Atoa RALITERA Ny Ando Jurice, ny tanjona lehibe ao anatin’ny Fifanarahana Nasionaly ho an’ny Angovo (Pacte Energétique de Madagascar) dia, ny hampiakarana ho 80 % ny tahan’ny vahoaka Malagasy misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030. Tarigetra ny hanatrarana hatramin’ny 85 % ny famokarana avy amin’ny angovo azo havaozina.
🤝🏼 Zava-dehibe ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina ary ireo mpiara-miombon’antoka isan-tokony (3P). Vonona ny Fanjakana Malagasy, hanao ny ezaka hanamorana ny dingana sy pitsopitsony momba ny fifanarahana, hanafaingana ny asa rehetra. Izany dia ho fitsinjovana ny tombontsoa ambony ho an’ny vahoaka Malagasy sy ny Firenena manontolo.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *