
Tomban’ezaka eo amin’ny sehatry ny angovo
Tonga eto amintsika ny iraky ny FMI

Manatontosa iraka eto amintsika mandritra ny herinandro mahery ny Delegasiona avy amin’ny Tahirimbola Iraisam-pirenena na « Fonds Monétaire International » (FMI). Mitarika izany Atoa Lonkeng CONSTANT, otronin’ny Solontena maharitra eto Madagasikara Atoa Eklou KODJOVI.
🏽 Misesy ireo dinikasa iarahan’izy ireo amin’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto amintsika. Anisan’izany ny fihaonana tamin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola (MEF) niaraka tamin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), izay tontosa androany 30 Martsa 2026 teny Antaninarenina.

Fotoana niresahana, mahakasika ny JIRAMA, ny sehatry ny angovo amin’ny ankapobeny ary ny fiovaovan’ny vidin-tsolika eto Madagasikara (Mécanisme d’Ajustement Automatique des Prix des Carburants). Mbola hitohy ny fifampidinihana amin’ny herinandro.