Fikorontanan’ny famatsiana herinaratra ao Antsiranana vokatry ny fahasimban’ny fitaovana ao amin’ny Tobim-pamokaran’ny ENELEC

DG 2, vitaina anio ny asa. Olana amin’ny lafiny fampangatsiahana ka hahazoana 1 MW vantany vao vita.

DG 6, eo am-piandrasana fanamboarana piesy simba (usinage d’une partie du vilebrequin), efa tonga ao Toamasina ny fitaovana. Hanomboka rahampitso ny asa fanamboarana. Tanjona ny hahavitany ny Talata 19 Mey hariva ho avy izao.

DG 8, izay hahazoana 3,2 MW. Rahampitso maraina no hamoahana ireo piesy vaovao ao amin’ny Fadintseranana ao Toamasina. Ho tonga ao Antsiranana ireo ny Alarobia 20 Mey izao. Tanjona ny hahavitan’ny asa fanamboarana sy fanoloana ireo simba mialoha ny fiafaran’ity volana ity.

DG 9, olana amin’ny fiakaran’ny hafanan’ny famoahana entona, vitaina anio ny fanadiovana ny « turbo charger » ka hahafahana
mahazo 3 MW .