Toamasina II
🌞 Fampisitrahana « kits solaires » eto Ampasimadinika
✅ Nanomboka androany 9 Aprily 2026, ny fizaràna fitaovana manome herinaratra avy amin’ny masoandro (Kits solaires), ho an’ny tokantrano miisa 2.560 eto amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampasimadinika, Distrika Toamasina II.
🤝🏼 Tarigetra ny fanalefahana ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Miara-misalahy ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (#MEH), sy ny Ministeran’ny Fampiroboroboana ny Haitao Ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra (#MNDPT). Mpanohana ny Banky Iraisam-pirenena (#BanqueMondiale) amin’ny alalan’ny Tetikasa #DECIM hotronin’ny « Bamboo Capital Partners » izay misahana ny fitantanana ny « Fonds DECIM ».
▶️ Izao dia tohin’ny ezaka efa natomboka tany amin’ny Kaominina Ambanivohitra Fanandrana, izay nizaràna « Kits solaires » ho an’ny tokantrano miisa 6.000. Hitohy ao anatin’ny 3 herinandro eo ho eo izao hetsika eto Toamasina II izao, ka « Kits solaires » miisa 30.000 no ho zaraina mandritra izany.