TOAMASINA
Tontosa ny fihaonana sy ny fifampidinihana niarahana tamin’ireo mpiantsehatra arak’asa momba ny famatsiana herinaratra (prestataire) izay notarihan’ny Tale Jeneralin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo #MEH, ny Talen’ny fitsinjarana herinaratra, ny Talem-paritry ny JIRAMA Atsinanana sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eto anivon’ny Direksiona Atsinanana.
Hisy arak’izany ny fifanarahana (contrat) sy fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo, ny JIRAMA ary ireo prestataire izay vatsian’ny Banky Iraisampirenena.
Tanjona ny hahafahana mamerina tanteraka amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto an-tampon-tanànan’i Toamasina amin’ity volana martsa ity, araky ny toromariky ny Fitondram-panjakana.