TOAMASINA
Mandroso ny asa fanarenana ireo fotodrafitr’asan’ny JIRAMA izay ravan’ny rivodoza GEZANI teto Toamasina. Ny 50%-n’ny mpanjifa no efa misitraka rano amin’izao fotoana izao.
Mihazakazaka ihany koa ny famerenana sy fampifandraisana ireo tambazotra mitondra sy mitatitra herinaratra.Tafiditra anatin’izany ny famerenana haingana ny zotra mamatsy herinaratra ao Farafaty, Cur Barikadimy, Ambalamanasy, Mangarano I, Mangarano Il.
Efa manomboka mijery ihany koa ny famerenana ny famatsiana herinaratra ireo mpanjifa amin’ireo zotra D5, D2, DV3 sy DV4 ny JIRAMA.
Nisy moa ny fihaonana tamin’ireo tompon’andraikitry ny Orinasa JIRAMA sy ireo mpiara-miombon’antoka avy amin’ny Banky Iraisampirenena, EDF, Telma, Ambatovy ary ireo antoko politika, izay samy nanolo-tanana ireo ekipa izay manao ny asa fanarenana eny an-kianja.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *