Flash Rivodoza GEZANI
Arak’izao hitantsika amin’ny sary izao dia efa miverina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra ao amin’ny Hopitaly be Toamasina.
Mitohy ny asa fanarenana ary miasa tsy ankiato ireo teknisiana amin’ny fanatanterahana izany.
Manao ny ainy tsy ho zavatra ireo teknisiana amin’ny asa fanarenana ireo fotodrafitr’asa simba ao Toamasina. Noho izany, efa tonga ao amin’ny sous-station Tamatave I Bazar Be ny herinaratra amin’izao fotoana izao.

Eo am-pikarakarana ny fampifandraisana ny zotra D5 sy D2 izay mamatsy ny hopitaly sy ny fonja ihany koa izy ireo.
Ny JIRAMA dia maneho fisaorana antsika amin’ny faharetana sy ny fiaraha-miasa hahafahana miroso haingana amin’ny asa fanarenana.
Mihazakazaka ny asa fanarenana sy fametrahana ireo milina mpihary herinaratra hampihodinana ireo milia mpamokatra rano eto amin’ny toby famokaran-drano Farafaty, Toamasina.
Vinavinaina hiverina tsikelikely manomboka anio, amin’ny 10 ora alina any ho any ny famokaran-drano eto an-toerana.
Nanomboka androany ny fanarenana ireo andrin-jiro tra-pahavoazana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza GEZANI teto Toamasina, izay nanimba hatrany amin’ny 95% ny fotodrafitr’asan’ny JIRAMA.
Efa eto an-toerana ireo ekipa avy any Antananarivo hanampy amin’ny fanarenana ireo fotodrafitr’asa simba hahafahana mamerina haingana amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra eto antampo-tananan’ny Toamasina.
Efa tonga eto ihany koa ireo vondrom-pihariana herinaratra miisa roa (02) hampihodinana ny toby famokaran-drano ao Farafaty, hahafahana mampisitraka rano fisotro madio ny mponina eto antampo-tananan’ny Toamasina.
Raha ny antotanisa farany dia mahatratra 200 ireo andrin-jiro mitondra herinaratra mavesatra (Moyenne tension) lavo, 1000 kosa ireo andrin-jiro BT (Basse tension) tapaka sy/na nianjera ary 75 isa ireo vata mpanova herinaratra (Transformateur) potika tanteraka.
Ankasitrahana ny fifanomezan-tanana avy amin’ny Fiadidiana ny Fanavaozana sy avy amin’ireo ankolafin-kery rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena. Hanao ny ezaka rehetra ireo teknisiana hamerenana faran’izay haingana ny famatsiana jiro sy rano eto Toamasina.