MANDROSEZA
Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny famatsian-drano amin’ny alalan’ny fametrahana paompy vaovao ao Mandroseza izay hanpitomboana ny vokatra tsinjaraina ho an’ny mpanjifa. Hiasa avy hatrany ary afaka mamokatra manodidina ny 540m3 isan’ora ity paompy vaovao ity.
Marihana fa izao asa izao dia tafiditra ao anatin’ny tetik’asa PAAEP na Tetik’asa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio, izay vatsian’ny Banky Iraisampirenena vola.
Hitohy ny fametrahana ireo paompy hafa entina hamahana ny olan’ny famatsian-drano eto Antananarivo sy ny manodidina.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *