Tetikasa DECIM:
▶️ Nidina tany Androy sy Anosy ny MEH sy ny BM
⭐ Tanjona ny hampisitraka herinaratra ho an’ny 60% ny vahoaka Malagasy raha 30% izany ankehitriny. Naneho ny fahavononany tanteraka hanohana ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ny avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena (BM), izay hamatsy vola 400 tapitrisa dolara ny tetikasa DECIM. Nisy ny fidinana ifotony tany amin’ny Faritra Androy sy Anosy, niarahan’ny solontenan’ny BM tamin’ny Minisitry ny Angovo sy Akoran’afo (MEH), Atoa Solo ANDRIAMANAMPISOA.
➡️ Ny Tobim-pamokarana herinaratra an’ny JIRAMA ao Ambovombe no naleha voalohany ny 11 May 2023. Ny 12 May dia tao amin’ ny kaominina ambanivohitra Maroalomainty no nandehanana. Nitohy tao amin’ny Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro ataon’ny orinasa QMM izany. Hametrahana haingana ny paikady sy vina an’ny tetikasa DECIM no anton-dia. Tanjona ny fanatsarana ny famokarana herinaratra amin’ireo toerana lavitra sy ny fampitomboana ny tahan’ny Malagasy misitraka izany any amin’ny tontolo ambanivohitra miaraka amin’ny fampiroboroboana ny aterineto sy ny haikajy mirindra.
💡 Nifarana tamin’ny fametahana ireo jiro « cobras » miisa 100 tao Taolagnaro, izay tafiditra amin’ny fandaharan’asa « Hazavao ny elakelan-trano » ny fidinana ifotony, ny alin’ny 12 May 2023.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *