
Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA)
Ampiakarina miandalana ny famokarana herinaratra

Miditra amin’ny vanim-potoanan’ny maintany (étiage) isika eto Madagasikara. Ankoatra ny fihenan’ny rano

dia misy koa ireo fahasimbana

amin’ireo milina mpamokatra herinaratra, VESTOP Antsirabe, sy AKSAF ary CTA 2 izay samy eto Ambohimanambola.

Mahatratra 25% (30 hatramin’ny 50MW) ny fidinan’ny famokarana herinaratra ho an’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo (
#RIA).

Ohatra :

Andekaleka = 40, 50, 60 MW monja raha tokony ho 120MW

AKSAF : 40 MW raha tokony ho 60 MW

CTA 2 : 20MW raha tokony ho 24 MW

VESTOP : an-dalam-panamboarana

Antony mahatonga ny fahatapahan-jiro mifandimby (délestage tournant) eto amin’ny RIA ireo.

Vahaolana maromaro no entin’ny Fitondram-panjakana miaraka amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo (
#MEH), sy ny
#JIRAMA ary ireo mpiara-miombon’antoka sy mpandraharaha tsy miankina.

Tanjona ny hampiakarana miandalana ny famokarana herinaratra ho an’ny RIA, ka hanalefahana tsikelikely ny fahatapahan-jiro.

Vahaolana maika :

Fanamboarana haingana ireo milina rehetra simba (CTA 2, VESTOP, AKSAF)

Fandefasana ireo milina mandeha amin’ny gazoala, TAC 1 sy TAC 2, hanome 12 hatramin’ny 15 MW ny iray

Fiaraha-miasan’ny JIRAMA amin’ireo mpisehatra tsy miankina hanampy amin’ny fampiakarana ny famokarana herinaratra

Fandatsahana orana artifisialy vao vantany feno ny fepetra hampiakarana ny haavon’ny rano

Vahaolana fohy ezaka :

Fanafainganana ny fananganana ireo tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro

(centrale solaire) ao anaty
#Tetikasa50MW ka ny 30 MW dia eto Antananarivo.

Ambatomirahavavy (1,5 MW) > efa mandeha ny andrana ara-teknika, ka tokony hamokatra herinaratra mialoha ny fiafaran’ity volana Septambra ity

Ampangabe (11,5 MW) > 50% amin’ireo takelamasoandro (panneaux photovoltaïques) izao no efa voapetaka

Ambohidrano Atsinanana (7 MW) > 10% amin’ny asa izao no vita

Fieferamanga Imerintsiatosika (9 MW) an-dalam-pananganana

Fampiakarana avy any Toamasina ny milina hamokatra
#105MW eto Ambohimanambola.

Efa vita tanteraka ny fanamafisana ireo tetezana amin’ny
#RN2. Mamarana ireo pitsopitsony teknika sy lamina isan-tsokajiny izao.

Manomboka amin’ny herinandro ho avy io no kendrena hanomboka tsikelikely ny fitaterana (convoi exceptionnel)

ireo fitaovana :

« blocs moteurs » miisa 7, « altérnateurs » miisa 7, « transformateurs » miisa 3, ary ireo kojakoja maro isan-karazany miaraka aminy.

Izay milina sy fitaovana tafapetraka eto Ambohimanambola dia hamokatra herinaratra avy hatrany, fa tsy hiandrasana ny fahavitan’ny fotodrafitrasa manontolo.

Fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro

(centrale solaire) eo Tsarasaotra izay hamokatra 100MW.

Eo am-pandinihana ny tolotra teknika sy ara-bola voaray (offre technique/offre financière) ankehitriny ny vaomiera misahana izany, hahafahana manafaingana ny fanombohan’ny asa, izay haharitra herintaona eo ho eo.

Velarantany mirefy 100 Ha no hananganana ity
#Tetikasa100MW ity, izay hisy takelamasoandro miisa 170.000 sy vatoaratra (batterie) 200 MWh.

Hizara andiany (phase) ny asa fananganana ka hampiditra herinaratra avy hatrany amin’ny « Sous-station » etsy Antanandrano izay vita.

Fanamarihana :

Manodidina ny 250-260 MW ny filàna (pointe) herinaratra eto amin’ny RIA. Efa manakaiky ny 200MW ny fitambaran’ny filàna fanampiny (extension) amin’ireo fangatahana fampidiran-jiro sy fanitarana ankehitriny, na avy amin’ny olon-tsotra na avy amin’ny orinasa

Miantso ny vahoaka ho tony hatrany sy hanana faharetana, manoloana ny fotoan-tsarotra lalovana amin’ny tsy fahampian’ny famokarana herinaratra.

Tsy vahaolana ny fanimbana ny fananana iombonana.

Efa manao ny ezaka rehetra ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny Fanjakana sy ny tsy miankina, hampiakarana miandalana ny famokarana herinaratra eto amin’ny RIA.

Ilaina ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpisehatra rehetra ho fanampiana ny JIRAMA.

Ireo no fehin’ny fanazavana ny zava-misy nentina tamin’ny mpanao gazety, androany Sabotsy 20 Septambra 2025 teto amin’ny foibem-pamokarana herinaratra AKSAF Power Ambohimanambola. Nitarika izany ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Atoa JEAN-BAPTISTE Olivier, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, Atoa Ron WEISS, sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy.