
Tambazotra Iraisan’Antananarivo (RIA)
Mitohy ny fampiakarana ny famokarana herinaratra

Eto amin’ny Fokontany Ikianja, Kaominina Ampangabe, Distrika Ambohidratrimo, Faritra Analamanga no hitondrana antsika androany. Toerana iray amin’ireo maro hafa, misy ny asa fananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro

na « centrale solaire » (CS). Hanana tanjaka 10 MWc ny CS eto. Efa mamokatra herinaratra miandalana ny CS eto, mandram-pahavitany manontolo. Hiakatra ny famokarana eto, manomboka amin’ny herinandro ho avy io.

Nanomboka ny volana Oktobra teo, dia 4 MWc no efa miditra amin’ny RIA. Nahafahana mitsitsy gazoala 78.000 litatra sahady izany.

Hampiakatra ny famokarana ho 5 MWc manomboka ny herinandro ho avy, ny teknisianina ao amin’ny JIRAMA.

Vahaolana lehibe : ho fanatsarana ny kalitaon’ny famatsiana herinaratra, sy hanampy tosika ny famokarana herinaratra eto amin’ny RIA, ary angovo azo havaozina mitsinjo ny tontolo iainana sy manena ny fandaniana amin’ny vidin-tsolika amin’ny famokarana herinaratra. Anisan’ireo tombontsoa hoentin’ny fotodrafitrasa ireo.

Tonga nitsidika ny CS eto Ampangabe, androany 8 Novambra 2025, ny delegasiona notarihin’ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo (MEH), Atoa RALITERA Ny Ando Jurice. Toromarika nomeny ny hanafainganana ny asa, hahafahana mampiakatra hatrany ny famokarana herinaratra, hisorohana ny fahatapahan-jiro.

Antso avo no nataony ho an’ny sehatra tsy miankina (Secteur privé) sy ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany, hifanome tanana amin’ny Fanjakana Malagasy ho famaliana ny hetahetan’ny mpanjifa, fa indrindra ho fitsonjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy sy ny Firenena.

Tarigetra, ny hampiroboroboana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina (Partenariat public-privé na 3P).