JIRAMA: MISY NY EZAKA SY FANATSARANA NY FITANTANANA
Ireo teboka lehibe nisongadina nandritra ny Tafatafa nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny Kôlônely RANDRIANIRINA Michaël. Isan’ireo nanotrona izany ny Tale Jeneralin’ny Orinasa JIRAMA, ny Jeneraly RASOLOMANANA Hajatiana.
▪️Anisan’ny fitakiana lehibe nataon’ny tanora ny fanatsarana ny jiro sy ny rano. Misy ny vahaolana fohy ezaka, izay efa hita ankehitriny sy ny lavitr’ezaka entina hamahana izany.
▪️Tsy misy intsony ny délestage fa ny fahanteran’ny fitaovana sy ny fahavoazana ara-teknika (panne) no misy amin’izao fotoana izao, ary manao ezaka ny JIRAMA sy ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo #MEH mamaha izany.
Matoa tsy misy ny délestage dia mety mba efa manao ny ezaka sy fanatsarana ny fitantanana ka mendrika isaorana ny JIRAMA. Tsy voatery andrasana vahiny vao hanova zavatra, hoy ny Filohan’ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika.
📍 Antananarivo: Efa miasa Ilay Unité Compacte de Traitement (UCT) Izay mamokatra rano 22 000m3 isan’andro izay notokanana nandritra ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny JIRAMA, ary efa manomboka tonga any amin’ny vahoaka ny rano.
Misy ireo toerana sasany izay efa dila 5 ka hatramin’ny 10 taona tsy nisitraka izany dia nohon’ ny fiverenan’ny tosiky ny rano anefa dia vaky ny ankamaraon’ireo fantsona. An-dalam-panoloana azy ireny ihany koa ny JIRAMA.
▪️ANY AMIN’NY FARITRA :
📍Mahajanga: Tsy misy olana ny famatsiana herinaratra, saingy misy tsy fahampian-drano 7000m3.
📍Ambalavao: Miaina ao anatin’ny fahasahiranana ara-drano ihany koa ny tanàna.
📍Antsiranana: Misedra olana ny lafiny herinaratra saingy handefasana milina mpihary herinaratra miisa 6 ny JIRAMA atoato. Mahakasika ny rano kosa dia misy « forages » 4 miasa. Tsy tokony ho tanàn-dehibe tahaka an’i Diégo anefa no vatsiana rano amin’ny forages.
📍Toamasina : Efa madiva ho vita tanteraka ny asa fanarenana ny fotodrafitr’asa ara-herinaratra (98%), ary efa tontosa ihany koa ny fanarenana ny toby famokarana sy fitsinjarana rano ka tsy misy olana intsony ny famatsian-drano any an-toerana.
▪️Misy ny tetik’asa fanatsarana ny fampisitrahana rano fisotro madio na #PAAEP izay natao hamahana mivantana ny olan’ny rano.
Nividy fantsona mitentina 4 miliara Ariary ny Fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika, ary nalefa any Nosy Be sy Antsiranana ny ampahany hanoloana ireo simba.
▪️Vinavinaina hivaha tanteraka ato anatin’ny 4 volana ny olan’ny famatsian-drano amin’ny ankapobeny na dia mbola misy tsy fahampiana ihany aza amin’izao fotoana izao.
▪️Mahakasika ny tetik’asa Volobe, mbola mitohy ny fifampiresahana satria ny vidin’ilay herinaratra hovokarina dia mbola misy tsy hifanarahana ka izay no mbola tsy mampandroso ity tetik’asa ity.