SOUS-STATION TANA-SUD ANOSIZATO
Manohy ny ezaka fanatsarana ny tolotra fitsinjarana herinaratra eto amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo ny Orinasa JIRAMA. Tafiditra ao anatin’izany ny fanavaozana ireo sous-stations izay efa mizaka ny vesatra tokony entiny ka mahatonga tsy fahatomombanan’ny tambazotra mpanova sy mpitsinjara herinaratra matetika.
Misantatra izany asa fanatsarana izany ny sous-station Tana Sud Anosizato, izay efa iharan’ny fahamaizana matetika vokatr’izay fihoaran’ny vesatra izay. Misy amin’izao fotoana izao ireo vata mpanova herinaratra lehibe miisa roa, izay manana tanjaka 2×25 MVA hoasolo izay efa tranainy ao amin’io sous-station io.
Asa izay iarahana manatontosa amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo ary ny Banky Iraisampirenena, amin’ny alalan’ny tetik’asa DECIM. Tanjona ny hanamaivanana ny vesatra entin’ny sous-station Tana-Sud ka hahafahana manitatra ihany koa ny tambazotra famatsiana herinaratra amin’ireo toerana izay mbola tsy misitraka izany.
Marihina fa hitombo, ka ho lasa 75MVA ny tanjaka ato amin’ny sous-station Tana Sud raha toa ka manodidina ny 50MVA izany teo aloha.
Ny zoma teo no nanomboka ny asa fametrahana ilay vata mpanova herinaratra lehibe voalohany ary mbola mitohy ny asa. Ny sous-station Tana-Sud Anosizato izay marihina fa mamatsy zotra efatra lehibe:
• ARIVO: Anosizato – Ambodivona -Vahilava -Ampahitrosy-Antanetikely -Antanimenakely -Antandrokomby -Ambohimamory -Ampitatafika -Faliarivo -Ambohimiadana -Alatsinainiambazaha -Anjanamanoro -Ambodiafontsy -Malaza -Fenoarivo -SANATORIUM-Ambohijafy -Benasandratra -RNM -Ambohimasina -Vontovorona -CNAPS-Maizinandro -Ambohidrazana – Tsarahonenana -Alakamisy -Progranit -Ambatomirahavavy -ADONIS -Tsaratanana -Imerintsiatosika -RAAL-Mangatany -Arivonimamo -Ambohitrambo -Ambodifarihy -Antaboaka -Zomabealoka -Soamahamanina -Miarinarivo – Manazary – Ambatomanjaka -Analavory -Ampefy -Soavinandriana -Mananasy.
• ZIFts: Nanahazana -Namontana -TAXI Brousse Ankadimbahoaka -Zone Filatex Ankadimbahoaka -Hazoberavina côté leader price -Hazovato-Zone Forello -Cité Soavina.
• D1: Fasankarana -Anosimahavelona -Ankadimbahoaka -Soanierana – Namontana – Mananjara – Filatex – Androndra -Ankaditoho -Morarano -Manakambahiny-Miandrarivo -Ambatoroka -Ambohipo -Andohanimandroseza -Cité Ambohipo -Ambolokandrina -Ampahateza -Andravitoto -Bibilava.
• D2: Anosizato -Anosibe -Angarangarana-Mandrangobato -Tranodimy -Ilanivato -Anosipatrana-Andavamaba -Anjezika -67Ha Jirama -Anosy -Andrefan’Ambohijanahary – Soanierana -Ambohibarikely.