SOUS-STATION TANA SUD ANOSIZATOTontosa androany tamin’ny 3 ora sy sasany folakandro ny asa fampifandraisana « Phases » amin’ireo vata mpanova herinaratra izay hamatsy ny zotra 35KV (ARIVO sy ZIFts) sy ny sous-station Tana Ouest ary ny sous-station Mandroseza ka nahafahana niroso tamin’ny andrana ara-teknika sy ny fampadehanana ilay vata mpanova herinaratra vaovao voalohany, manana tanjaka 25MVA antsoina hoe TR5.
Nahomby ny andrana fampandehanana ity vata mpanova herinaratra voalohany ity ary vinavinaina ho apetraka amin’ny herinandro ambony io kosa ilay vata mpanova herinaratra vaovao faharoa (TR6).
Marihina fa rehefa tafapetraka sy hiasa ihany koa ny TR6 dia tafiakatra 75MVA ny tanjaka ato amin’ny sous-station Tana sud Anosizato izay hamatsy ny zotra 35 KV , raha toa ka 25 MVA ny tanjaka mamatsy ny zotra 20 KV( D1sy D2).
Tanjona hanamaivanana ny vesatra entin’ny sous-station Tana sud ka hahafahana manitatra ihany koa ny tambazotra famatsiana herinaratra amin’ireo toerana izay tsy mbola misitraka izany.