Mazava izao fa fanakorontanana sy fanohintohinana ny fiainam-bahoaka sy ny filaminana no takoman’ny Sendikan’ny Mpiasan’ny JIRAMA () amin’ny voalaza fa fitokonana ataony.
👉🏽 Voaporofo izany amin’ny alalan’ny fanapahana tsy nahazoan-dalana ny jiro amina toerana maromaro, sy ny fanakatonana an-tery ireo masoivoho ary fandrahonana ireo mpiasa vonona hiasa. Eo koa ny fikasana haka olona amin’ny fomba feno herisetra.
✳️ Manoloana ireo karazana fihoaram-pefy sy fandikan-dalàna ireo, dia miantso ny mpiasan’ny JIRAMA tsy hanaiky lembenana, fa hiaro ny tombontsoan’ny Orinasa. 💰 Laharam-pahamehana ny toebolan’ny Orinasa hahafahana mamelona ireo milina mandeha amin’ny solika, hanamaivana ny delestazy.
🤳🏽 Miantso ny vahoaka Malagasy hampandre avy hatrany ireo manam-pahefana akaiky indrindra, vantany vao mahita tranga mampiahiahy.
❌ Tsy azo ekena ny fanaovana takalon’aina ny vahoaka Malagasy, vokatry ny kajy politika sy fanakorontanana ataon’ny SMJ sy ireo mpaniraka any ambadika. Efa mipoitra tsikelikely sy fantatra izao ireo fahavalom-pirenena.
⚖️ Handray fepetra hentitra ny Fitondram-panjakana, ho fitsinjovana ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *