🟩 Lany teny amin’ny Antenimierandoholona ny volavolan-dalàna mifehy ny Tetikasa « Smart Clean Cooking Project »

✅ Nolanian’ireo Loholon’i Madagasikara teny amin’ny Lapan’Anosikely androany 18 Desambra 2025, ny Volavolan-dalàna laharana faha-020/2025 tamin’ny 8 Desambra 2025 momba ny famatsiam-bola ny Tetikasa « Smart clean cooking projet » hiarahana amin’ny OPEP (Projet de loi autorisant la ratification de l’accord de prêt relatif au financement du Smart Clean Cooking Project, conclu le 19 Septembre 2024 entre la République de Madagascar et le Fonds de l’OPEP pour le Développement International ou OFID).

👉🏽 Ny Tetikasa “Smart Clean Cooking Project” dia miompana amin’ny fampiroboroboana ny fomba fahandroan-tsakafo amin’ny angovo madio. Tarigetra ny fiarovana ny ala sy ny fiahiana ny tontolo iainana manoloana ny vokadratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetrandro, ny fitandrovana ny fahasalamana ary ny fampandrosoana ara-toekarena.

▶️ Tanjona ny hananganana fotodrafitrasa amin’ny fampiofanana sy fampiroboroboana ary fampivoarana ny haitao eo amin’ny sehatry ny fahandroan-tsakafo amin’ny angovo madio. Ohatra amin’izany ny « bioéthanol », ny « biogaz », ireo arina fandrehitra vita amin’ny akora biolojika (briquettes et pellets), ny fatana mandeha amin’ny herinaratra sy amin’ny masoandro (cuisinière solaire et électrique), ny fatana mitsitsy (foyer amélioré), ny entona fandrehitra (GPL). Mitentina 35 tapitrisa dolara ny findramam-bola hoenti-manatanteraka ny Tetikasa. Laharam-pahamehana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina.

❇️ Nitarika ny Delegasiona avy amin’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo teto Anosikely androany, ny Sekretera Jeneraly, Dr RAKOTONANDRASANA Adolphe, notronin’ny Tale misahana ny Fampiroboroboana ny « éthanol » sy ny Angovo avy amin’ny akora Biolojika (DPEBIO), Atoa FIDIARISON Kenny Marco Louis.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *